Iza ? - Nosy Malala
Azo vakiana?
Iza ?
Iza no filoha teto Madagasikara,
Rehefa nasorina ka voatery niala,
Mbola tafaverina hoe hanatsara,
Aleo ny tantara no hanambara...
Raha valopolotaona ny andro iainana,
Tsisy mangirana mihitsy ny fiainana...
Ireo filàna fototra ohatran'ny rafy,
Isan'andro dia miaina ambanin'ny miafy.
Ireny filoha ireny ihany no mbola malaza,
Omemboninahitra sy atao fata-daza.
Mahavory vahoaka any ambanivolo,
Tsy manantsiny kanefa voajono !
Nosy Malala
Martsa 2022
Sokajy :
Ahiahy, Aingam-panahy, Eritreritra mandalo, Fahantrana, fiainana, Fiaraha-monina, Politika, Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 14/05/2022
Mpamangy : 48
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao
Maniry hilatsaka ho filoha