Izay tratrany dia voa, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay tratrany dia voa,

Misy mpiaro ihany ve ?
Ireo Malagasy marobe,
Difodifotrin'ny trosa,
Miavosa tena miavosa.

Ny Banky efa fangalana,
Ny maro hafa toa tsy tana,
Manjanabola etsy sy eroa,
Izay tratrany dia voa...

Voa satria ilay zanabola,
Ambony be tsy moramora.
Rehefa tapidalankaleha,
Dia raisina izay manome.

Ekena, samy olon-dehibe,
Saingy tsy hita intsony ny aleha,
Mampanakarena ireo mpamatsy,
No hany sisa, ahitana vatsy...

Indrisy, avy eo mitondra faisana,
Karama zara misy raisina,
Voatery atopatopan'onja...
Mety hifarana any amponja !

Nosy Malala
Mey 2023
--------
Rohy:
360 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148