Kanto loatra (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanto loatra,

Kanto loatra lahy, ireto zavaboary
Asatanana nokoloin'i Nahary,
Na maintso, na maina, na mena,
Dia mandravaka ny Firenena.

Kanto loatra koa ireto olombelona,
Hafa fiteny, hafa loko ,hafa tenona.
Kanto avokoa, ary tsy vazivazy,
Satria ny Tompo no Nahary azy.

Fa nohon'ny fijery, izay samy manana,
Dia misy mihevitra, hoe niangarana.
Raha mahita anaty, ny mason'ny tsirairay,
Dia hankasitraka ny asan'ny Ray.

Ny andro fahafito izy no niala sasatra,
Hitany fa tsara , no sady tena lafatra.
Ny olombelona no voafidy hikolo,
Hanaja sy hiahy ny voary manontolo.

Nosy Malala
Aogositra 2023
--------
Rohy:
519 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144