Karazana mpitolona, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Karazana mpitolona,

Ianao ilay mpitolona eto amin'ny tambazotra,
Mihainohaino eo, fa tsy mahasahy mitrĂ´tra.
Sasamiandry, inona'ndray ny tetika,
Manontany tena hoe toa tsisy mihetsika!

Ianao ilay miandry antso, dia lasa mitolona,
Vonona hatrany tsy matahotr'olona.
Vao mahazo tombotsoa anefa dia lasa izao,
Tsy misalasala, mamadika palitao.

Ianao ilay mpitolona mitaky ny ho avy tsara,
Saingy raha vao miteny, tonga dia voatsara,
Miantso ny vahoaka mba ho tonga saina.
Indrindra fa ireo, mora ambakaina.

Ianao ilay mpitolona te hitrĂ´tra mafy,
Saingy matahotra, fonja sy basy,
Manara- baovao sisa fanantenana,
Faly dia faly raha vao mijoro ny akama.

Ianao ilay mpitolona mahasahisahy,
Vonona ianao na ho alefa any Tsiafahy,
Toy ireo olomanga izay nanolotena,
Iray ny tarigetra dia ny Fahaleovantena.

Ianao ilay mpitolona tsisy mahafantatra,
Alohan'ny hatory no mitrotro ambavaka.
Tsompo sy mandefitra, tsy mitady kirizy,
Mahay ny tantaran' Estera,Jonasy,Moizy..

Nosy Malala
Desambra 2023
--------
Rohy:
261 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143