Lavaka be - Nosy Malala
Azo vakiana?
Lavaka be,
Jerena fotsiny ity lalana lavaka be,
Toy ny mahita banga, sahy mihomehy.
Ny fiara mandalo día maro be,
Ny hetra naloa tsy hita izay naleha.
Talanjona amin' ireto ankizy,
Nanototra tany hono Izato izy,
Miandry mpandalo mba hanome,
Mila vola kely fa noana be...
Tsy tafavoaka ny firenena,
Manjaka loatra ny fitiavantena.
Manantena ihany rehefa fifidianana...
ho an'ny mahay sy hendry ny fitantanana.
Nosy Malala
6 août 2022
Sokajy :
ahy, Aingam-panahy, Eritreritra mandalo, fanantenana, fiainana, Politika, Tanindrazana, Tontolo iainana
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 09/08/2022
Mpamangy : 244
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Resaka politikaMirotsaka ny orana
Bonheur contagieux
Magnifique mer
Lera,
Mandrosoa avy hatrany,
Comme lorsque j'ai été enfant,
Mi aime a ou
Tu avances sans médire,
Mpanoratra sy ny tononkalony