You are here: home > Vetso

Lavidavitra ihany, - Nosy Malala

Azo vakiana?

Lavidavitra ihany,

Ilay poeta vao mitsimoka,
Miafiafy, misitrisitrika,
Kaonty fako aloha izany,
Fa mbola hipoitra ihany.

Ny zavatra voasoratra,
Ny ao ampo no naboraka,
Mampisento na mampitomany,
Fa mbola hivoatra eny ihany.

Ilay faniriana hamoaka boky,
Toy ny ranon'ny Mangoky,
Misosa mankany mankany,
Fa misy fiafarany ihany.

Ny hasaronankenatra mangeja,
Maniry mba ho poeta ngeza.
Fa ny lalana mankany,
Toa lavidavitra ihany....

Nosy Malala
Septambra 2021