MANAMPY AN'I MAMA - Nosy Malala
Azo vakiana?
Manampy an'i mama,
Hiandry an'i mama foana ve?
Vao mahafantatra ny atao ry' se.
Mama efa reraka sy mba sahirana,
Nareo miandry Antsoina "Avia hihinana" .
Andao, ry zareo asiana tabilao,
Zaraina ny asa, inona no atao ?
Mampirina fandriana, mamafatrano,
Mamerina amin'ny toerany ny zavatra ato antrano...
Tsy mifanjana rehefa antsoina,
Raha tsy izany ho bedin'ny Domoina.
Izay tsy mahavita ny asany tsy mijery tele,
Ny trano milamina... tsy mahafinaritra ve ?
Rehefa manampy anie ianareo,
Dia mianatr'asa fa aza be toreo.
Rehefa lehibe tsy sahirana intsony,
Tsy misalasala mandray ny savony.
...Dia soloina indray ilay tabilao,
Rehefa afaka iray volana fa tsisy manao.
Mimenomenona mama fa akory atao,
Ny fanabeazana ngaha kilalao ????
Nosy Malala
janoary 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : tononkaloNM
Daty : 24/06/2021
Mpamangy : 226
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao