Manapotika Firenena (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manapotika Firenena,

Manapotika Firenena,
Ny kolikoly f'aleo jerena,
Taona maro tsisy fivoarana,
Maro loatra ny lava tanana.

Manapotika ny vahoaka,
Raha ny fananany no apoaka,
Ataon'ny mpanao kolikoly fa zony,
Ka izay lasany tsy hita intsony.

Raha te hanasoa Firenena ,
Sanatria ny kolikoly no 'ndeha ekena,
Ka raha mitady ho lavo ny Tanindrazana,
Ny firaisankina  no mahamazana.

Atambatra ny hevitra mba hiady,
Tsy amela  ny marina ho any ankady.
Rehefa tsy hamokatra ny fanjakana,
Mila miara mientana ny iray tanana.

Fa na inona, inona mantsy atao,
Raha ny kolikoly no manjaka ao,
Raha tsy voasazy 'reo mpanao ratsy,
Tsy ho tafarina mihitsy ny Malagasy !

Ireo mpanodikodina ngaha manenina...
Ny nalaina tamin'ny vahoaka aoka averina,
Fa tsy avela hitsoaka any andafin'ny riaka,
Ireo mpamotika ny tanindrazantsika.

Ndeha hiara hiady amin'ny kolikoly,
'Lay fitaovana lafatrin'ny devoly,
Hanapotehana Firenena,
Hanjakazakan'ireo tia tena....

Nosy Malala
Janoary 2022
--------
Rohy:
488 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147