Maniry hilatsaka ho filoha (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maniry hilatsaka ho filoha ,

Maniry hilatsaka ho filoha ny ao andoha,
Hanavotra ny firenena izay tena voa,
Latsaka ambany dia ambany tokoa,
Nifandimbiasan'ny ny filoha teo aloha.

Ny  fotodrafitrasa nay dia "Maslow",
Hodradradradraina ao amin'ny radio,
Sakafo sy rano aloha vao teleferika,
Trano fialofana ho an'i reo zanantsika.

Hamokatra sakafo na vary ve  tsy ho vita ?
Fa naleo nisafidy ny rendrarendra any ampita. 
Ny harempirenena tsy voaarontsika,
Volamena anjato-kilao,tratra any ampita !

Rehefa mihinan-kanina ny Malagasy,
Ny ankizy rehetra mandeha andakilasy.
Fampianarana lavorary isaky ny kilasy.
Ny mpitondra sy vahoaka samy miady mafy,

Atsangana ny kabinetra miady amin'ny kolikoly,
Ny bianco sy ny tariny toa tsy mamely akory.
Ny vokatra ihany no ahitana izay mahavita,
Mila atao veloma  ny akolita sy ny mahitahita....

Ho be fahavalo  izay filoha amin'izay (ho)
Tapaka fihinana izay mpanararaotra hatrizay,
Zareo  aloha matanjaka ka tsy hanaiky mora.
Aiza indray no ahafahany hanjono moramora?

Nofinofy izany ry mpamaky hajaina,
Tsy fantatra akory  ilay filoha andradraina,
Ilaina fanolorantena sy fahaizana mantsy izy io,
Raha tsy izay ny vahoaka no mifafa ny kiho.

Eto ampiandrasana izay tena ho mpamonjy,
Alao hery hatrany fa isika tsy hiantso tody.
Any andro iray ho avy ny fotoana,
Ny fanjakana hanampy ireo sahirana sy noana.

Hahaleo tena ara-tsakafo amin'izay ra Malagasy,
Hiaina ampilaminana, tsy handry andriranantsy.  Hisy teleferika  hatrany amin'ny faritany.
Malagasy no hamboatra sy hitantana izany....

Nosy Malala
Janoary 2022
--------
Rohy:
446 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115