Masoandro, Volana, Kintana (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Masoandro, Volana, Kintana,

Masoandro enao ka mibaliaka,
Manafana izay rehetra mangatsiaka.
Masoandro mahamiramirana,
Mampitsiky ny manana sy ny sahirana.

Volana enao ka manazava,
Na ny maizinkitroky ny alina aza.
Nampandrosoinao ireo siantifika,
Mirehareha ireo rehetra mahavita.

Kintana enao ka mamiratra,
Tsy voaisa fa mandriaka,
Maha lasa lavitra ny vinany,
Mampatsiaro ireo Havana any ho any.

Sitraka no ventso ombieny ombieny,
Be ireo zavaboahary tsy ho ary voateny.
Isaorana avokoa ny soa entin'izy ireny,
Adidy sisa ny mikolo ity tany izay nomeny.

Nosy Malala
Mai 2021
--------
Rohy:
498 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142