You are here: home > Vetso

Mbola hisy ho tavela ? - Nosy Malala

Azo vakiana?

Mbola hisy ho tavela ?

Ory havamana ve raha miteny,
Momba ny tany miara mila ireny.
Fahiny izy ireny dia tsy azo idirana,
Ankehitriny raha tiana día azo anombirana.

Ilay trano miaramila namboarin'i Eiffel,
Nanjary haolo sy takonan' hotel.
Voaodidin'ny tranon'ny mahitahita.
Bostani ... Miandry ny farany sisa !

Eny fort voyron, raha sendra mivily,
Tsy voaisa intsony ireo trano sivily.
Ny miaramila  tompony indray ity no miafy.
Fa ny tany feno tranon'ireo tsara vatsy.

Adala tompo angamba izy ireny,
Sa madinika ny tompony ka tsy afa-niteny ?
Mbola hisy ho tavela ve  ireo mba harena,
N'ireo miaramila ao afara, tsy nojerena...

Nosy Malala
11 août 2022