" Merci" hatrany, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Merci" hatrany,

Dimy faran'ny mahantra hatramizao,
Madagasikara eran'izao tontolo izao.
Ireo tena sahirana maro isanjato,
Ny kolikoly mandifotra tafo....

Faly Dia faly ireo milaza nandresy,
Ambonin'ireo fitoriana nifanesy,
Ny Noely moa ity efa ho avy,
Ny laoka mila atao matavitavy.

Ho avy koa ny taombaovao,
Vorombe sy gisa no ho atolotrao,
Ireo mpitantana, olona ambony,
Amizay mba mahazo rondrony.

Aiza izany hoe demokrasia,
Toa tapina sofina, fihatsarambelatsihy...
Indrisy fa maro no tsy tonga saina,
Nilaha- koveta, mora ambakaina!

Ireo nisafidy tsy nandeha nifidy,
Esoin'ny hafa hoe tsy nanao adidy,
Izy ireny indray ve no mampiahiahy,
Nefa io efa voasoratra Io ny "résultat".

Ao kosa ireo nahasahy nitolona,
Ho an'ny Marina, ho avin'ny olona.
Ny toa azy ireny no Andrin'ny Firenena,
Nitaky ny Marina sy nahatoky tena.

Fa sarotra kosa aloha ny hitsikera,
Ireo tsy nihetsika, mbola niandry lera,
Ny aina mantsy dia tokana ihany,
Moa isika tinaiza, hanao "merci" hatrany !


Nosy Malala
Décembre 2023
--------
Rohy:
287 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198