Mikarakara taratasy (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry laharana,

Laharambe ny fikarakarana taratasy,
Lany eo ny fotoan-dRaMalagasy.
Efa Hatramin'ny firy maraina,
No niandry,  fa tsy afa mitaraina.

Lasa ny saina amin'ireo tompon'andraikitra,
Izay olana misy toa tena miraikitra .
Izay tsy mahafantatr'olona eo foana no raisina,
Miandry mandefitra, mahita faisana.

Toa lavitra ihany Izato fandrosoana,
Tena tsisy  mihitsy ve ny vahaolana ?
Sa avela fotsiny, hodiana tsy hita,
Ho tombotsoan'ny mahitahita.

Miandry laharana, ny kibo  noana,
Lafo vidy, nefa lany eo ny fotoana.
"Ireny mbola tarinako" , hoy ilay ramatoa,
Nahitahita ka voaray mialoha.

Nefa anie dia tokony ho vita,
Ao anatin'ny roapolo minitra,
Ilay ora maro nilaharana teo...
Rahampitso indray miverina hoy zareo.

Olana, tsy hoe vao androany,
Fa tsisy vahaolana mihitsy amin'izany.
Mianjaika daholo miseho vahoaka,
Ny olana misy nefa toa  tafahoatra !

Aogositra 2022
Nosy Malala
--------
Rohy:
451 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117