You are here: home > Vetso

"MP" - Nosy Malala

Azo vakiana?


"MP"

Eto amin'ny tambazotra misy  fanana amidy,
Sao mahasoa na misy liana  hividy.
Hafatra kely ho an'ny mijery maro be ,
Raha hanohy resaka dia "mp" .

Ny vidiny aloha tsy ho lazaina eto,
Na ho an'olo-tsotra na mpanefoefo,
Manasa anareo hitodika avy hatrany,
Ny tohin'ny tantara dia  "mp" ihany.

'zay nahazo valiny tsisy miteny,
Miandry an'i Paoly raha miandry azy ireny.
Samy mangina, volamena be,
Tsiambaratelo tokoa  ny "mp".

Mangetaheta ambony lakana ireo  mpanjifa,
Miandry vidin' entana amidintsika,
Nahoana ny  vidiny  no afenimpenina ,
Ny votoatiny indray no tsy tenenina ?

Milendalenda eo foana raha tsy hanao "mp" ,
Sasa miandry ny valin'ilay hoe "prix svp ? "
 Paik'ady, kolontsaina sa " sécurité"....
Ny vidin'entana tsy ambara raha tsy "mp"?

Nosy Malala
Martsa 2022