Mpivady miady - Nosy Malala
Azo vakiana?
Mpivady miady,
Adin'ny mpivady ve moa hidirana,
Rehefa avy miady izy dia mifamihana.
Fa raha matetim-piavy toa sotrokely,
Dia tsy hisy fahasambarana velively.
Na lehilahy io na vehivavy,
Tokony mifanaja rehefa mpivady.
Fa tsy hoe akory rehefa vita mariazy,
Dia azo atao amin'izay anaovana azy.
Vady koa ve moa tsy ho tiana,
Aleo ny hevitra no ampiadiana.
Fa raha tabataba tsy maraina tsy atoandro,
Mampitsoaka ihany raha iainana isan'andro.
Mifankatiava hatrany re ry mpivady,
Any ivelany anie ka betsaka ny mitady.
Kolokoloy tsara ny eo ampelatanana,
Ny fitiavana anie ka mila tondratondrahana.
Nosy Malala
Jolay 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 29/07/2021
Mpamangy : 375
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao