Na tara aza, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na tara aza,

Tsy taitra mihitsy Raivo miditra tara,
Gasy hono izy ka izay Ilay anjara,
Efa miezaka ihany fa tena tsy tafa,
Moa na tar' izy tsy mihafahafa.

Sahirana nijery akanjo anaovana,
Ilay metimety toa efa nilaozana,
Maneritery kibo mila avaozina...
Endrasana Raivo fa tsy azo (i)laozana.

Tara i Raivo fa mila mandalo lakozia,
Mijery, raha voasasa daholo ny vilia.
Hafa ihany mantsy ny mamatana madio,
Tsy maninona na tara fa sarobidy Io.

Taraiky koa Raivo satria nifanena,
Tamin'i Haingo vao avy niantsena,
Loza hono ny nanjo azy tany Itaosy,
Tena saika tratran'ny mpangaropaosy.

Fa tsy taitra Raivo na miditra tara,
Gasy hono izy ka izay Ilay anjara.
Na misy fotoana na any ampiangonana,
Na tara aza Raivo, tsy manisy olana.

Nosy Malala
Martsa 2024
--------
Rohy:
123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151