Nahoana - Nosy Malala
Azo vakiana?
Nahoana,
Nahoana ny foko no mitaraina hatrany,
Mandeha lava ny saina toa lasa vinany.
Nahoana angaha ireo havana any ho any,
No mijaly sy sahirana, mitoreo hatrany.
Nahoana ny tononkaloko no tsy sasa mitaky,
Mihika fahamarinana hatrany anaty...
Manentana ireo namana tsy ho ambakaina,
Mitaraina fahasahiranana miatra aman'aina.
Nahoana ny aingampanahy no matetika lasa,
Mitsikera ireo mpangalatra tsy mety tratra.
Isoloina vaika ny mahantra na tambanivolo,
Nahoana ngaha zareo no tsy mba voakolokolo ?
Ny fitiavana ve no mahatonga izany ?
Satry ho resy ny tsy rariny eto antany.
Eny tiako Ianao ry Gasikara tsy foiko,
Tononkalo no hany amborahako ny ato ampoko!
Nosy Malala
Jolay 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 26/07/2021
Mpamangy : 323
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao