Namana taloha - Nosy Malala
Azo vakiana?
Namana taloha,
Any ve inareo, ry namana fahizay,
Mahatadidy ve sa efa nanadino anay ?
Tanteraka ve ny nofinofy faha zaza,
Aiza izao no miasa, firy izao ny zaza ?
Ry mpifanolobodirindrina, aiza ngaha izao ?
Nizara manta sy ny masaka, toy ny, tsy hifandao.
Niara nilalao, nifanatsafa, namana tokoa,
Tsy adino fa tsaroina ireo fiarahana taloha.
Ity tononkalo, fahatsiarovana anareo,
Asa na ahatonga hafatra, ilay vorondreo.
Raha sendra ka mandalo, mivilia, mandrosoa,
Mahasoava daholo , ry namana taloha.
Nosy Malala
Oktobra 2021
Sokajy :
Aingam-panahy, embona, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, Fiaraha-monina, Fitiavana, Namana
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 11/11/2021
Mpamangy : 427
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao