Namela mamy (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namela mamy,

Nisy hono firenena,
Zava misy ka ekena,
Nentina-mpanjaka revo,
Nisy  hova sy andevo...
Niaina tanaty fanjanahana,
Dia niandrandra fahafahana.

Taona maro aty aoriana
Lavitra ny faniriana.
Misy ireo manjakazaka,
Mihevitra fa tena pata.
Taratra ny fanjanahana,
Voaroba antsoko ny fananana.

Ny anjara zo sy fahamarinana ,
Aoka re tsy ho rimbinana.
Ny olombelona rehetra,
Vovoka  ihany no fetra.
Ry Voninahitra sy harena,
Toa mandavo firenena !

Milofosa , aza kivy,
Na handositra adidy.
Fa ny marina  handresy,
Ho lefy ireo mpametsy.
Rehefa andao izato tany,
Hanontany tena ihany...

Moa ve mahafaly,
Mijery Ireto olona mijaly ?
Ny vatana no hangatsiaka,
Fa ny fanahy, hitohy hahita,
Ny vokatry ny fitiavantena ,
Na, ny mamy ho an'ny firenena.

Nosy Malala,
Septambra 2022
--------
Rohy:
682 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163