You are here: home > Vetso

Neny andeha hifidy - Nosy Malala

Azo vakiana?

Neny:
Ilaozako aloha ianareo rankizy,
Andeha kely aho hamita adidy.
Zo lehibe ny fahafana mifidy,
Izay lany eo no ho lehibe mandidy.

             Zanaka :
              Hendry tsara izahay fa aza manahy,
              Iza no hofidin'ny neninay angaha?
              Lazao fa zahay anie ka te ahafantatra,
              Sa ve marina f'efa voasoratra ny lahatra ?

Neny :
Azafady rankizy fa Izaho tsy hiteny,
Kobaka ambava ny ankabeazan'izy ireny.
Tsy anambara safidy aho na iza hitoreo.
Ndrao ohatra vilana ho an'ny ho avy nareo.

               Zanaka :
               Ao moa neny fa zahay te hahalala,
               Zahay anie te hanana mpitondra tsara.
               Mpiahy ny madinika, manetry tena,
               Iray ny tarigetra " ho an'ny Firenena".

Neny :
Mianara tsara , mba ho tonga amin'izany,
Hatreto aloha ny politika dia ady seza hatrany.
Ny mitondra sy ny ekipa toa voky daholo,
Mipitrapitra eo foana ny vahoaka manontolo.

Nosy Malala
Aogositra 2021