Nofy sy revirevy, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy sy revirevy,

Nofy sy revirevin'ny fianakaviana,
Ny tsy hitsahatra ahazo fitahiana,
Fombàm-piainana ihany mantsy,
Ny mandalo misedra ireo ady mafy.

Ny eritreritra entanina hatrany,
Ity fiainana ity mivadibadika ihany.
Ny nofy sy ny revirevy arahan'asa,
No ahatratrarana ny tanjona kinasa.

Ampandrevena hatrany ny saina,
Ovaina ho drafitrasa ireo taraina,
Sitasitahana ireo mpanakivy,
Avadika mamy ny zava-mangidy.

Raha somary lavitra ny lalàna izorana,
Tsaroina fa nisy tonga teny amin'ny volana.
Banjinina hatrany ireo dingana vita,
Atao ao antsaina hoe tsy maintsy tafita.

Ny Fanantenana dia mitondra Hery,
Fa tsy hoe akory adalàna velively,
Nofy sy revirevy fa ny tany tandalàna.
Tsimaintsy mbola hiainana aty an-tanàna.

Nosy Malala
Janoary 2024
--------
Rohy:
161 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149