Ny ahy ny Dada (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ahy ny Dada,

Ny ahy ny Dada tsy mba fantatro,
F' izao no hany kely hafatro,
Raha toa enao ka velon'aina
Mahatsiaro anao ity sombinaina.

Ny ahy ny Dada efa lasàna,
Satry ihany, ho eo hiantana.
.....Inoako sambatra izy any,
Navita adidy teto antany.

Ny ahy ny Dada mamo lava,
Ny fiainanay dia tabataba...
Mazàna tsy tompon'ny tenany,
F'izy no Dadanay naterany.

Ny ahy ny Dada maro atao,
Na satry ny hiara-hilalao.
Isaorako andro aman'alina,
Izy mitady izay ho hanina.

Ny ahy ny Dada tsy salama,
Mikarakara ny ahy, ny fahazazana,
Fa fifaliana ho anay ombieny,
Ny eo anilan'i Dada sy i Neny.

Ny ahy ny Dada marobe,
Tiako daholo, samy nahabe,
Nanangana, dadatoa, dadabe,
Hiezaka aho ho tonga rehareha...

Isaorana daholo ireo Dada rehetra,
Raha sendra misy, tsy mendrika toetra,
Dia Irariana avokoa, ho tsara fiafara,
Sambatra ny zanaka tsy mankahala !

Nosy Malala
Jona 2023
--------
Rohy:
444 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148