Ny alahady (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alahady,

Alahadin'ny mpino izay miara mahita,
Nitsaharan'ny Ray noho ireo zava bita.
Raha Izy namorona izao tontolo izao,
Namboatra ny voary, ary izaho sy Ianao.

Ho fisaorana Azy  sy fankalazana,
Tsy hitsaharana, raha mbola salama,
Handeha ampiangonana, hidera Azy,
Hanokana ny fo, hametraka ny ho avy.

Hifona, hibebaka amin'ny tsy mety natao,
Hiezaka hiala amin'ny ratsy fanao.
Hanadio fo sy saina, hanavao fanekena,
Hanokatra ny fo  ary hanolotena...

Ajanona aloha ny asa fitadiavana,
Hanomana fonenana mbola tsy tazana.
Zay misy ny havana efa lasana taloha.
Toerana mamy iarahana  amin'i Jesoa.

Ka na  rovitr'akanjo, na tsy misy kapa,
Entina miala sasatra ny  fo izay maratra,
Hahazoana ilay hery tsy voavidimbola,
Fiadanana  tokana izay mampiangola.

Ireo soratra masina henoina ny alahady,
Mamelona ny fanahy efa sasa miandry.
Raha vita isan'andro moa, vao maika mety.
Ny sakafompanahy,  isan'andro ny fety.

Fa ny alahady kosa tsy azo zivazivaina. Mangalatr'akoho alatsinainy, tsy ilaina.
Izay mananjo misafidy  dia samy mijinja,
Tsy Eva  no diso raha tsy mahay mamindra.


Nosy Malala
Febroary 2022
--------
Rohy:
559 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149