NY FIJERIN'NY OLONA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIJERIN'NY OLONA
Ny fijerin'ny olona dia tena zava-dehibe,
Mampamorona ny tsisy na tsy manana aza re!
Ny fijerin'ny olona dia mahagaga mihitsy,
Mbetika mahatezitra, mbetika mampitsiky.

Raha tiany Ianao dokafany, raha tsy izany dia arapany moa,
Eo Ianao marary fo, raha ankinina aminy izay mahasoa.
Raha sendra mifanena, maha tora-kovitra mihitsy,
Fa iny ampita iny ilay mpitsara, toa pôlisy !

Ny fijerin'olona dia mahatonga ny ankizy,
Tsy tia ny akanjony, satria tsy marika ilay izy.
Dia sahirantsaina sao ihomehazan'ny hafa,
Raha miakanjo tsotra, andrao voatsafa.

Fa ny ho avim-pirenena,dia ny olona mahatoky Tena,
Satria tsy ny fijerin'olona no mampanakarena,
Ny toetra tsy voarebireby no tokony jerena,
Mahasahy mijoro, mahasahy manolo-tena.

Fa raha ny fijerin'ny olona no itondrana ny fiainana,
Tsy hisy fahasambarana, famoretana no iainana.
Hitady foana hamorona ny tsisy,
Noho ny fijeren'ny hafa, lasa any amin'ny indrisy!

Izay tsy taitra amin'ny fijerin'olona kosa,
Dia olona sambatra sy tsy mba osa.
Izay ananany ihany no entiny manana,
Mahay mankasitraka ny eo ampelantanana.

Nosy malala
Janoary 2021
--------
Rohy:
508 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0987