NY TSIKINAO, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny TSIKINAO,

Fa tsy notsikin'ny vintana enao...
Teraka Tao antrano bongo tao,
Tsy nikapa nandeha nilalao
Dia nihalehibe amin'izao.

Ilay tsikinao natoraly,
Mahavariana mpizahantany.
Ny lelo dia miroraka,
Ny Volo tsy mihogo miroradroraka.

Tarehy feno tsiky, ny maso baribary,
Matsaka rano, manoto vary,
Antsoina hamelina afo,
Andrao tsy misakafo !

De mitalao ny foko,
Ontsa feno toloko !
Mahita zaza tsy tamby isaina
Mitovy aminao isamaraina.

Mahita ihany koa, Ireo zaza mananjo
Zavatra hafa indray no mahavaky loha,
Kely dia efa manana finday,
Mahalany ny andro indraindray.

Miezaka ihany mba mandray anjara,
Fidiran'ny mpianatra sy Noely  dia mizara,
Izay voaangona kely eny no atolotra,
Fa tsy hitanisa hoe iza no  fositra....

Ny tsikinao avy amin'izay,
Dia isan'ny mamy indrindra eto antany,
Tsara ho tsaroina indray andro any,
Mampitsiky rehefa sendra tomany.

Misaotra rankizy Malala.
Aza kivy fa mbola tsy Tara.
Mianara dia hendre tsara,
Mahatokia fa mbola ho avy ilay anjara.

Nosy Malala
Janoary 2021
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
911 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155