PAPA Malala (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Papa malala,

Raisina ny penina anio ry papa malala izany,
Hiarahabana anao, satria fetinao androany,
Ianao ilay taizan-drenibe tany ambanivolo tany,
Izay nampian'ny dadabe ka nanohy fianarana ihany.

Eninambifolo taona moa vao nahazo pataloha...
Nivarotra gazety, niandry omby koa....
Nianatra tany ambositra, notahin'Andriamanitra,
Kilasy mandry tany, tonga manamboninahitra.

Tantara ihany izany fa tena mahafinaritra ahy,
Ampitaina aminireo taranaka f'ianao de tena lehilahy.
Tsaroana koa ireo havana notezainareo roa.
Nobeazina niaraka, hanana ny ho avy soa.

Tsy ho adinoina ny fanompoanao firenena,
Tena hitanay maso ny fanoloranao tena,
Sanatria ny hiady seza amin'ireo avara-patana,
Fady anao ny hisolelaka ho mariky ny fisandratana.

Ka nisondrotra hatrany dia toa nofy lay omaly,
Lova sarobidy ho anay ilay toetranao natoraly.
Fahavalondrisoriso, tsy maintsy manaradalana,
Ny ohatra nasehonao, eto amin'ity tany malama.

Ataovy ankehitriny papa, izay mahasambatra,
Tena rariny ianao raha mba miala sasatra.
Aza miasa saina amin'ny zanakao poety,
Avelao izy hilaza zay heveriny fa mety....

Nosy Malala
Jona 2021
--------
Rohy:
557 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142