Raiko any andanitra (Nosy Malala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raiko any andanitra,

'Zaho sy ny Raiko any andanitra,
Fitiavana tena maharitra,
Ambonin'izao rehetr' izao,
Efa ela fa toa mbola vao.

Izaho sy ny Raiko any andanitra,
Fitiavana mampaniry manitra.
Mifampiantso,mifampiresaka.
Na faly aho na ory na reraka.

Izaho sy ny Raiko any andanitra,
Hiaraka mandrakizay ho finaritra,
Raha toa aho ka mpianany mendrika,
Mpandresy ary tsy mba ho rendrika.

Nosy Malala
Martsa 2023
--------
Rohy:
350 1
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 03/04/2023 23:26)
Misaotra betsaka an' Ikalamako.
Mankasitra hatrany hatrany amin'ny antsa tompoko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 11/03/2023 23:12
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0617