You are here: home > Vetso

Reny very Kapa - Nosy Malala

Azo vakiana?

Reny very kapa,

Nankaiza ny kapako teto?
Raharaha mihitsy zareo reto.
Vao mipetraka kely dia misy maka,
Iza iza ndray no naka ny kapa ?

Ireto zaza ireto tena mampitoreo,
Nefa efa samy manana ny azy zareo.
Ny kapan'ny mama no be mpitsiriritra,
Hifandrombahan'ireo zay mahita.

Nosy Malala
Avril 2021

Hevitra mandeha

hery (03/07/2021 11:26:02)

Hafakely koa ity lolll

TononkaloNM (27/07/2021 08:16:53)

Ianareo Kay Andriamatoa Hery no mpitantana ity serasera ity. Hitako tany @google ????. Misaotra indrindra dia Mankasitraka e ! Misy mantsy vao tsy mifanaraka @heviny na manoatra ny firehankevitrany ilay tononkalo dia Tonga dia tratran'ny sivana.
Aza misalasala manitsy ny diso tsipelina @tononkalon'i Nosy Malala fa raisina antandroa sady isaorana tompoko. Mankasitraka e !

hery (27/07/2021 12:26:17)

Ianao no isaorana e.
Ny tononkalo tokony hoe fanehoan-kevitra koa. Raha tsy mifanohitra amin'ny soatoavina iombonana dia tsy hitako izay hanivanana azy.