Resaka politika (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resaka politika,

Mbola tsy manomboka ny propagandy,
Indreo izy dahy miady hevitra sahady.
Hadinon'izy ireo, ny nifandray tanana,
Alohan'ny lalao na savasava lalana.

Lehilahy :
Ianao ranabavy tsy tía fitondrana,
Ahenao kely ange, izato fankahalana,
Tsy misy mpitondra, tena mendrika izany,
Izay ny zava misy, taratra manerantany.

Vehivavy :
Nahoana no terena, hoe tsy tía fitondrana ?
Zara aza misy SAHY, milaza izay tsy ara-dalana.
Tombotsoan'ny firenena ny fahasahiana miteny,
Araraotin'ny hafa raha manaiky ombieny ombieny.

Lahy:
Izay mitondra eo, dia toy izao foana,
Ny korontana, tsy vahaolana etoana,
Ajaina izay eo, miandry fifidianana.
Mangina aloha, f'izay eo no tohanana.

Vavy:
Efa hita izao, ny manjo ny vahoaka,
Mangetaheta, tsy afaka mitroatra,
Rehefa hita fa mivarina ny firenena.
Ny manompo fahatany, tsy azoko ekena.

Lahy:
Ianareo tsy mijery, ireo zava maro vita,
Ny resaben'ny fesiboky no mampipitrapitra.
Ny mpanakorotana, manararaotra mihitsy,
Raha mifanena amiko, zaho  tsy hitsitsy.

Vavy :
Aleo hiteny, ireo Malagasy  SAHY,
Milaza ny marina, na vehivavy na lehilahy.
Aleo ny kanosa, tsy manakambara,
Ho very finoana, ho tsarain'ny tantara.

Lahy :
Jereo ny fiainana, tsisy miova eo,
Impiry no naongana ny mpitondra teo.
Atao tsara ny asa, karakarao ny takontrano,
Ndrao hahita loza, sy ahita angano.

Vavy :
Ho adinoina  ve, ireo tolona taloha,
Ny ra latsaka, namoizana mahery fo?
Jerena fotsiny ve, ny tany efa ho gazana,
Sa handray andraikitra izay TIA tanindrazana ?

Satria ny Fahamarinanaa sy ny Mangarahara,
No fototr'hampandroso an'i Gasikara,
Lalana hitondra amin'ny fifampitokisana,
Hiarahana manohitra, ireo izay mpamitana.

... Ny resaka polítika sy  fivavahana aloha,
Tsy iadina hevitra sao hamparary fo.
Izay mijoro amin'ny marina, mendrika tohanana,
Olomangam-pirenena, izay tsy miraviravy tanana.

Nosy Malala
Janoary 2023
--------
Rohy:
889 1
Mpakafy: havotraniaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1209