Ry Tahotra ô (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Tahotra ô,

Azafady re ry Tahotra,
Tsy namana ianao androany,
Izato Vava no miahotra,
Fa vonona handresy hatrany.

Adin-tsaina, ahiahy marobe,
Nanangoly ny ao anaty,
Androany no fotoana omena hoe,
Ampy izay ny geja mafy.

Hisalovana fahasahiana,
Hisikin'hery indray mandeha
Sanatria ny hiforitra hangina,
Ry Tahotra ô, ndehana mandeha.

Nosy Malala
Martsa 2023
--------
Rohy:
511 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112