SAHIA MITENY (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAHIA MITENY,

Feno fanaintainana fa misafidy ny mangina,
Matahotra ny masony, tena mahavariana.
Miafiafy eo, manaiky ombieny ombieny.
Satria fony kely, tsy nampianarina"niteny" .

Dia ampianariny anao, ny fahaizana mitia,
Nefa ao anatiny ao, mihatsara velatsihy.
Dominy amin'ny kely, hazoniny eny ihany,
Ny tanjony ? Hanjaka aminao hatrany.

Ny olona tia, tsy manararaotra izany,
Ny faniriany ? hampandroso anao hatrany.
Ka aza dia miaritra, manaiky tsy miteny,
Raha sendra mpanjono, ny tenany ihany no jereny.

Mailomailo ihany amin'ny karazan-toetra,
Tsy  tia daholo, izay mahay miresaka rehetra.
Mody arahiny horohoro na ampangorahiny ny fo,
Izy avy eo mitohy, manjakazaka etsy sy eroa....

Tsy ilaina rahoraho hoe mila tiavina isika,
Toetra sy ny zava-bita, ampy iaraha-mahita.
Hazony mafy mihitsy, ny anjara fahafahana,
Sahia re miteny, higoka fahalalahana.


Nosy Malala
Novambra 2021
--------
Rohy:
792 1
Mpakafy: Duca
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154