Sakafompanahy (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sakafompanahy,Enjikenji-dava izao tontolo izao,
Ka aiza ny fotoana atokana ho anao ,
Reraka ny hariva, mamonjy "canapé",
Mijery fesiboky, mamelona "telé".
Mandeha eo ny lera, midaboka matory,
Ny fanahy angaha, nahazo sakafo akory !
Dia tampotampoka eo, indro efa maraina,
Atrehana ny asa, miarak’ amin’ ny adintsaina.
Ketraketraka eny ka lasa manontany,
Misy dikany ihany ve ny fiainana eto antany ?
Ny vaovao heno, toa mankarary loha,
Loza samy hafa, ady etsy sy eroa.
Eny andalana eny, dia olona masiaka,
Samy tia tena no mifanena sy hita,
Ianao irery ve no handefindefitra eo ?
Ka mihevitra hiova, hitovy amindry zareo.
Fa tonga saina tampoka, nibanjina ny lanitra.
Nanontany hoe, misy ve Andriamanitra?
Rehefa tany antrano, nanokatra baiboly.
Nandohalika nivavaka alohan’ny hatory.
Dia faly ny ampitso fa mbola velon’aina,
Vonona hampitsiky ireo izay rera-tsaina,
Sakafom-panahy, indray hariva monja,
Mampiravo fo, mampitony koa ny onja.
Nosy Malala
Aprily 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Finoana - Tanindrazana - Ahy - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana