Tadi-pintana (Nosy Malala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tena te hanampy hono,
Dia tadi-pintana no omena.
Fa tsy trondro voajono,
Na novidina teny an-tsena.

Ny toloram-potsiny mantsy,
Tsy manentana hiezaka.
Raha hiandry fanampiana avy atsy,
Vao mainka ho olana midezaka.

Tsy amidy ny safidy,
Na  atakalo vatomamy.
Tadi-pintana no izy,
Hitondra trondro tsy ho lany.

Dia ahoana re izany,
Raha noana izato kibo,
Mampanontany tena ihany,
Ny ahafahana hamindro?

Misy ihany kosa aloha,
Tena resy eto an-tany.
Ka na hery hoe hanjono,
Sarotsarotra ihany...

Raha fambolena sy fiompiana,
No vahaolana ara-tsakafo.
Aiza  am'izao 'reo tadi-pintana,
Hahatonga ho mpandranto ?

Ho lavina ary ve ny fanomezana,
Mitobaka amin'ny propagandy ?
ENY... mpanjono hafa kely ireny,
Fa tsy hanome asa sy angady....

Nosy Malala
Oktobra 2022
--------
Rohy:
654 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 23/06/2024 16:31)
Misaotra betsaka an'Ikalamako amin'ny antsa! Tena manantalenta sy mahay ianareo. Mankasitraka indrindra!
ikalamako ( 02/07/2024 10:42)
tam-pifaliana Nosy Malala a.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1211