Tadim-pitana (Nosy Malala)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadim-pitana, Raha tena te hanampy hono,
Dia tadim-pitana no omena.
Fa tsy trondro voajono,
Na novidina teny antsena.
Ny toloram-potsiny mantsy,
Tsy manentana hiezaka.
Raha hiandry fanampiana avy atsy,
Vao maika ho olana midezaka.
Tsy amidy ny safidy,
Na atakalo vatomamy.
Tadim-pitana no izy,
Hitondra tondro tsy ho lany.
Dia ahoana re izany,
Raha noana izato kibo,
Mampanontany tena ihany,
Ny ahafahana hamindro?
Misy ihany kosa aloha,
Tena resy eto an-tany.
Ka na hery hoe hanjono,
Sarotsarotra ihany...
Raha fambolena sy fiompiana,
No vahaolana ara-tsakafo.
Aiza am'izao 'reo tadim-pitana,
Hahatonga ho mpandrato ?
Ho lavina ary ve ny fanomezana,
Mitobaka amin'ny propagandy ?
ENY..mpanjono hafa kely ireny,
Fa tsy hanome asa sy angady....
Nosy Malala
Oktobra 2022
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/nosy-malala/tadim-pitana
Sokajy :
Tanindrazana - Politika - Malalaka - Hambom-po - Fiaraha-monina - fiainana - fanantenana - fananarana - Fampaherezana - Eritreritra mandalo