Tomponandraikitra (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tomponandraikitra,

Nantsoina ny Tomponandraikitra,
Fa toa tsisy mamaly na koa misy taitra.
Dia io fa miantso indray ny manaraka,
Aiza ianareo fa ny aty gaboraraka....

Antso avo amin'ny tomponandraikitra,
Ny vidim-piainana tena tsy laitra.
Noana ny ankizy mankany antsekoly,
Ny fandriampahalemana tsy ahitan-tory.

Ry Tomponandraikitra ve mba mahita,
Ireo antso maro sy ireo kiakiakan'
Ireto vahoaka sasa miandry,
Difotra olana ireo valalabemandry....

Ahoana moa raha tsy antsoina zareo,
Vahana ny olona amin'izay misy eo,
Miara mientana, miara miray hina,
Amin'ny toerana misy, na tanana niaviana.

Ny matoky amin'ny kely ho mpanapaka be,
Biriky isambiriky no ahavitana trano be.
Raisina ny ampinga, koloina ireo kilonga,
Rehefa hitokana, ny Tomponandraikitra mety ho tonga.

Nosy Malala,
Jona 2024
--------
Rohy:
239 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.479