Hampitombo Mausolée, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay kopatananao,
Hafatra toa mitalao,
Mba jereo zahay aty,
Lavitra anareo ary.

Noheverinao fa vahiny,
Ireo Gasy izay nitsidika iny.
Raha nitaingina fiara,
Tsy diso enao tsy nahalala !

Amorondalam-pirenena,
Fa lavitra fitsaboantena.
Fiara tsy matahodalana.
No ahitana kopatanana.

Izay vao nahita vatomamy,
Sadaikatra no sady faly.
F'ilay fiaraha-nilalao,
Nahatsapana hery vao.

Iza ary no ho antenaina,
Hiahy anareo ry sombinaina?
Maro ireo te hanao soa,
Fa mila miray hina koa.

Ireo rehetra tonga saina,
Amin'ity Nosy mitaraina,
No hampitombo mausolée,
Hamela mpandova marobe.

Tsy tongasaina fotsiny ihany,
F'andray andraikitra avy hatrany.
Satria " ny tanjona kendrena,
Dia ny ho an'ny Firenena".....

Nosy Malala
juillet 2024
--------
Rohy:
141 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1208