TALENTA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Talenta,

Izany ve no atao hoe manana talenta?
Izaho anie tsy mba noana ary tsy nangetaheta,
Hanoratra tononkalo, poety ho an'ny rehetra,
Fa ny ato anatiko ato, tsy mamela ahy hitoetra.

Ireo Havana sy namana, namaky ny soratanako,
Nandoka sy niteny, "manaova boky re rahavako" .
Fampaherezana, nihomehezana, sangisangy aloha hatreo,
Malala fomba ry zareo, mahay mandoka rahateo.

Dia mbola Tonga indray, Ilay haingam-panahy.
Ka noraisiko ny penina, toa nahasahisahy.
Navelako ny nahandro, na ny famakiana boky.
Nanoratako ampifaliana sady feno toky.

Ka antsitrapo no anolorako ho anareo,
Izay kely vitako, diapeniko indreo...
Izay mizara hono, vao maika mahazo,
Ka njao henoko ny foko, faly sy mivazo...

Nosy Malala
février 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
497 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142