Tanamasoandro (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanamasoandro,

Teo amoron-tsahakatsaka,
Indro enao tazako niavaka.
Tokana amoron-dalana,
Azafady ombay lalana....

Toa tsy nandry izany saina,
Niverina, nitaitaina.
Hanadihady ? Toa tsy sahy,
Sao  miavonam-panahy ?

Nitafy  hery ihany,
Tsy nihafahafa nanontany.
Hoe maninona eo Ianao ?
Diso toerana angaha, no irery toy izao ?

Tamin' endrika sariaka,
Felam-bonikazo mibalika.
Ilay feo nibitsika  namaly,
"Eto ny ahy no misy mamy".

Dia gina aho, ka tsy nahateny,
Safidy ny azy, fa tsy antery,
Variana aho sady nisento...
Ny feony mametsovetso.

Iza moa Ianao ? Ary toa variana ?
Misahirana amiko, sady toa sondriana.
Lavitr' havana aho, lehibe irery teto.
Na dia tsy mitovy, amin'ireto katsaka ireto.

Nanampaharetana sady be fitiavana....
Feno herimpo, nihary tsy antaninkavana !
Izany no niainan'ity Tanamasoandro.
Tsy ho adinoina,  tsaroina Isan'andro.

Rehefa injay aho, saika hanohy ny día,
Dia nidoboka ny foko, toa raiki-pitia.
Atao ahoana anefa, ny hiaina antsahakatsaka.
Toy Tanamasoandro, misandratra sy miavaka...

Nosy Malala
Oktobra 2022
--------
Rohy:
511 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146