Tano mafy ny finoana (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tano mafy ny finoana,

Tafitohina ve dia ho simbaina ny finoana,
Novoizina hatr'izay, taona maro nokoloina.
Hofafana toy ny tsisy, satria tezitra ilay fo,
Raha izay no Safidy...... atao ahoana moa !

Tafitohina ve dia ho adinoina avokoa,
Ireo fahalalana, fahagagana niainana taloha ?
Tafitohina ve no hanariana ireo lova soa ?
Ny filazan-tsara holazaina fa angano koa?

Tafitohina ve no hilazana fa ratsy avokoa,
Ny foto-mpampianara efa azo taloha.
Iaraha mahalala izao fa be ireo mahita soa,
Indrisy mantsy ry vokatry ny tsy fahatonian'ny fo !

Ny mpiara-mivavaka anie tsy hoe mendrika be,
Misy ireo feno fahalemena, olombelona anie.
Ka raha noho izy ireny no itsarana ny fiangonana,
Sy hitadiavana toky amin'ireo efa manan'olana...

Raha sendra tafitohina ry namana ny fo,
Dia tsara ny mahafantatra fa mora kokoa,
Ny mandray andraikitra mba tsy ho tezitra aloha,
Ny fahatezerana mantsy tena mety hahavoa.

Raha safidy no mahatonga tsy hino intsony,
Ny finoana fa ny fiainana tsy mitohy any ambony.
Na koa manana ny ampy, ka veloma no antsoiny
Tsy aleo ve mifanaja fa tsy manaratsy intsony.

Tsy moramora anie ny manampinoana amin'izao,
Tano mafy tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
Fa raha noho ny hatezerana, ny finoana hafoinao...
Miandry foana Kristy ny mbola hiverenanao.

NOSY Malala
Avril 2021
--------
Rohy:
795 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157