TARA-MASOANDRO (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARA-MASOANDRO,

Vao nisokatra ny maso,
Dia mahita ny taratrao.
Milaza hoe mifohaza, 'ndao,
Fa mazava ao ivelany ao.

Na dia mbola kamo hifoha,
Dia tsaroina ilay anatra soa.
Nohafaran'i nenibe Rasoa.
"Izay mazoto tsimaintsy mifoha".

Hanovo fianarana any antsekoly,
Ny alahady mialavoly, mianatra baiboly.
Ny asabotsy miaraka amin'ny dada sy Neny.
Mila mifoha, izay vao tanteraka ireny...

Any andro iray, isaorana anao ry Masoandro,
Nibaliaka vao maraina, namoha isan'andro.
Nahafahana nivoy fahalalana maro sy zavatsoa,
Hahatonga ahy hanampinoana sy hanan'asa koa.

Nosy Malala
Mey 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
593 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 15/06/2021 08:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118