TENA FILAMATRA - Nosy Malala
Azo vakiana?
Tena filamatra,
Tsy ho noana, tsy akory,
Sady tsy hampahonena,
Ireo tsy avela intsony,
Mampahantra firenena.
Rariny ve izany,
Hoe manan-karena ny tany ?
Fa olombitsy ihany,
No misitraka izany ?
Firy moa ireo efa lasana,
Tsy namaky teny akory,
Niaina tanaty fanambakana,
Tsy afaka nandeha antsekoly !
Firy koa ireo naniry,
Fa tsy afaka nikiry,
Hamela soa ny faniriany,
Ho an'ilay Nosy tena tiany !
Tsy ho tanteraka Izany,
Raha avela angalarina hatrany,
Ireo harena ankibon'ny tany,
Noho ny fahefan'ireo mpanao izany.
Ilay teny hoe mahitahita,
Ho zary henatra fa tsy voninahitra.
Hitovy zo daholo isika,
Tsy izany ve no tena filamatra?
24 Jolay 2021
Nosy malala
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 23/07/2021
Mpamangy : 302
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao