Tiako ho tantaraina (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ho tantaraina,

Tiako ho tantaraina,
Indray andro any,
Ho lavitra taraina,
Izany foko izany.

Tiako ho lazaina,
Ho ren'ny vazantany.
Malagasy miaina,
Manako any ho any.

Tany tandalana,
Anjakan'ny fahamarinana.
Ny harempanjakana,
Mitsinjo izay sahirana.

Ny rano sy ny jiro,
Eran'ny vazatany.
Ny tanora día fanilo.
Hatrany ambanivolo any.

Ny tontolo iainana,
Voakajy ihany koa,
Ambony ny fisainana,
Mikaly izay rehetra mahasoa.

Eny, mbola  ho avy,
Izany andro izany.
Hamony ny aviavy,
Hamokatra tsy ho lany.

Ilaina ny finoana, 
Fanilon' ny ho avy.
Arahan'asa foana,
Fifalian'ny mpianakavy.

Nosy Malala
Septambra 2022
--------
Rohy:
484 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147