You are here: home > Vetso

TILAPIA - Nosy Malala

Azo vakiana?

Tilapia

Tiako loatra, raha samy trondro,
Lasibatro mihitsy, mampilela-mpanondro.
Piso amin'io, te hangalampihinana,
Andraso kely fa zaho mbola tsy nihinana.

Tiliko piso, io mody fanina,
Latabatra amin'io vita milamina.
Pilokely sakay, nampiana voatabia,
Andao ary hihinana fa matsiro izy ity.

Tinapako ny lohany, nomeko an'i piso,
Lasa nizara roa, ny laoka anio sy ampitso.
Pitsopitson-taolana sisa tavela zalaha,
Afara indray manarina raha te hihinana tilapia.

Nosy Malala
Oktaobra 2021