TOETRA MANIPILATERA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Toetra Manipilatera"

Tsara fantarina ny toetra manipilatera,
Vereziny lavitra raha mitaveravera...
Manararaotra ho an'ny tombontsoany,
Zavatra hafa no tena karohany.

Ka tsara ho fantatra ihany,
Tsy tafavoaka, raha mifanehatra amin'izany !
Misy manipilatera , vava no kibay, dia manorohoro,
Tsy mananjo intsony enao, mamitsaka, tsy afa-mitalao.

Mahagaga koa anefa, mazàna ny mpitazana rehetra,
Mahita azy ireo tsara toetra, mendrika ho masera na pretra.
Mpiara miasa, namana,fianakaviana, mpitondra, iraitam-po....
Dia mety ho ahitana toetra manipilatera avokoa,
Ka tsara ho fantatra ihany, hiarovana ny soa,
Loza mantsy raha ny manipilatera no manjaka etsy sy eroa.

Izay tratrany ? diso ombieny ombieny, na mifona izy dia mamerina.
Ny mena lasa fotsy raha izy no miteny, eo enao tsy mahita tenenina...
Ratsy toetra enao raha tsy mamela, toy ireo voageja amanjatony.
Fa raha manaiky enao de eo tavela, ataony anaty aratony.

Misy fampianarana kely, mba hasahiana mijoro,
Psikolojia izay manampy, isitahana ilay mpanjono.
Ny famonoana ara-pientanam-po dia tsy fitiavana madio,
Toetra tokony harenina, voageja mantsy raha tratran'io.

Ny fifandraisana tsy madio, afaka isitahana na avela,
Tsy midika lolompo, fa fiarovantena amin'ny "manipilatera".
Rehefa miatraika ara-pahasalamana, tsisy tsiny pasitera...
Satria ny fananana safidy dia masina, tsy tokony azerazera.

Ny ankizy tsara ampianarina, ny fahatokisan-tena dia tokony entanina,
Tsy badoina amin'ny teny mahafanina, na ny firenena mety ho tafarina.
Rehefa misy ny tsy mety mba mahasahy mitroatra, atao ampahendrena,
Hananjo hatrany,satria ny manipilatera dia fanetry be ny Firenena.

Nosy Malala, janvier 2021
--------
Rohy:
398 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161