Tompon'i Gasikara, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompon'i Gasikara,

Ireo Malagasy maro antapitrisa
Isa-maraina, no hiaraka ihiaka,
Tompon'andraikitra hamela tantara,
Iankinan'ny ho avin'i Gasikara.

Isa-maraina, isa-maraina,
Zaho sy ianao matoa velon'aina,
No fanantenan'i Madagasikara,
Hanafaka azy fa mbola tsy tara.

Taona maro nangina, tsy sahy niteny,
Nandefitra sy nihevitena ho irery....
Ô ry tanora, zanak'i Gasikara,
Ao aminao ilay Hery, hanova Tantara.

Malagasy antapitrisa miara mientana,
No lalana hanafaka amin'ny fiforetana.
Vonona hatrany, atoandro, maraina,
Ho mendrika an'i Gasikara, ny toe-tsaina.

Tolona ho amin'ny Fahamarinana,
Tolona ho an'ny Zò tsy rimbinana,
Tolona hanjakan'ny mangarahara,
Satria Zaho sy ianao tompon'i Gasikara .

Nosy Malala
Aogositra 2023
--------
Rohy:
360 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147