You are here: home > Vetso

Tsy hanaiky intsony - Nosy Malala

Tsy hanaiky intsony,

Iza no mbola ahasahy hitraka,
Raha izay mijoro dia ho voadaka.
Iza no mbola ahasahy mijoro,
Ny maty rehetra lasa tsy nisy nisolo!

Ento aho raha tongotro fa tena mandoro,
Ny  hazalambo sady feno torotoro.
Raha manohitra enao na hoe mba mijoro,
Dia potika hatreo ny ho avy manontolo.

Tsy izany ve no tanjon'ny mpanararaotra ?
Aleo dinihana ihany  alohan'ny hitsaoka.
Ny marina  no andry sy aron'ity Gasikara,
Lova tsara indrindran' ireo taranaka amampara!

Manenjeha foana ary  izay hanenjika,
Ataovy hazalambo izay tianareo arendrika.
Fa ny  efa nianatra  tsy hanaiky intsony,
Ireo mpanabotry firenena, mpanao kolikoly.

Nosy Malala
Jolay 2021