Tsy irery (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy irery,

Tsy irery izay manana ny Ray,
Fitia tsy mamitaka sy ho mandrakizay.
Manitsy  raha sendra solafaka na diso,
Mahatoky sy miahy izay ho avin'ny ampitso.

Izy ihany koa ilay mamihina sy misalahy,
Raha ontsa  ny fo, ny vatana sy fanahy.
Mampitràka , mankahery hatrany...
Hafa ihany izany hoe zanany izany.

Tsy irery koa fa manana Dada sy Neny,
Miahy sy manabe, mananatra miteny.
Nitokisan'ny Ray hikolokolo ety,
Misolo tena Azy, mampita  ny  fitia...

Mbola tsy irery   izay  manan-kavana,
Tsy mifankafohy, mifanampy ampitiavana.
Misy koa ny  namana sy ny hafa tsara sitrapo ....
Irakin'ny Ray, anjely manao soa.

Tsy irery izay itoeran'ny fanahy masina,
Ilay Manolotsaina, fanilo mampitandrina.
Manampy   amin'ny fifidianana ny tsara,
Mba tsy ho solafaka amin'ny zavatra voarara.

Tena tsy irery izay manana an'i Kristy,
Nanolotra ny ainy , Zoky tena tia.
Na ontsa sy kivy,  omeny fiadanam-po.
Tsy vidim-bola raha misokatra ny fo.

Ny vady sy ny zanaka mitondra hasambarana,
Tsy hisehosehoana, ho fanajana ireo tsy manana.
Mifampizara fitiavana tsy manam-petra,
Misaotra Ray tsy mamela irery ny zanakao rehetra !

Nosy Malala
Aogositra 2021
--------
Rohy:
780 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124