TSY MIANDRY VALIBABENA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy miandry valibabena,

Lasa ny eritreritra fa lehibe ireto ankizy,
Nobeazina ampitiavana, namitana izay adidy.
Na izany aza , raha toa ka mblola velonaina,
Eto foana papa sy mama hanampy raha ilaina !

Tianay be nareo rankizy, ho tiavinay mandrakizay,
Izay mahasambatra atao f'izay no fahafinaretanay.
Misafidia ny tsara hatrany, fenoy fitiavana ny fo,
Mahaleova tena, aza misaraka amin'ny Tompo soa.

Tsara tsodrano ... toa vao omaly no nifana,
Lalampiainana io, ka sanatria zahay hitana.
Tsy hanao mampalahelo, na dia marary izato fo,
Fa hiarapaly aminareo, manaja safidy sy ny zo.

Sanatria ny hitanisa, ny soa natao taminareo,
Ampitiavana izy ireny, zahay koa nandalo teo.
Tsy ilainay sotasota, zanakareo indray no jereo.
Fa zahay tsy hiandry valibabena aminareo.

Na izany aza anefa, mandefasa vaovao,
Rehefa misy ny fotoana, tsidiho zahay raha sitrakao.
Hiarapaly indray isika, zafikely 'ndao hilalao,
Hitantarana ny fahiny, ho satry indray tsy hifandao....

Nosy Malala , mey 2021
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
490 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147