VADY TSY METY AFA-PO (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VADY TSY METY AFAPO,

Rehefa tsisy ny vola dia Izy foana no diso,
Izy efa sola mitady foana ny ho ampitso.
Mba maniry tambitamby tsikitsiky safosafo,
Izany rehetra izany nefa toa vidina lafo.

Miasa, mitrosa mangataka etsy sy eroa,
Ny vady nalaina tsy mety afa-po,
Latsa, dongy, ranomaso ihany koa....
Rehefa tsisy ravola, hiaretana avokoa.

Betsaka ihany angamba any ho any,
Vady mba hendry, tsy manao toy izany.
Mifankatia ny mpivady, mifampiangolangola.
Ny fitiavana tsy avela ho resindravola....

Ny lehibe vita ihany, ny fo ontsa amin'ny ankizy,
Mahita tabataba lava, miaina ny mangidy.
Miharitra ny fihetsika asehon'ny dada sy Neny,
Fa raha toetra ratsy ihany, azo ialana izy ireny !

Nosy Malala
Mey 2021
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
500 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108