Zarainy - Nosy Malala
Azo vakiana?
Zarainy,
Tazoniny ho azy irery,
Tsy zarainy velively,
Ny ratram-po mangeja,
Ny lalana mideza.
Tazoniny ho azy irery koa,
Ny adi-tsaina, zava-manjo.
Tsy hampalahelo olo-tiana,
Aleony hatrany hoe mangina.
Ny tsy fisiana ao antrano,
Tsy tantarainy toy ny angano.
Ka zovy ny hangataka na hitalao,
Miandrandra hatrany fiainam-baovao.
Fa zarainy mandavataona,
Ny fahavononana hiatrika foana.
Na inona hidona, na inona hiantra,
Ny fanantenana, tsy ataony mahantra.
Zarainy tsy misy Fetra,
Ampahafantariny ny olondrehetra.
Na mafy aza ny fiainana an-tany.
Tsiky tsy mety lany no asetriny izany.
Nosy Malala
Mey 2022
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 14/05/2022
Mpamangy : 219
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Resaka politikaMirotsaka ny orana
Bonheur contagieux
Magnifique mer
Lera,
Mandrosoa avy hatrany,
Comme lorsque j'ai été enfant,
Mi aime a ou
Tu avances sans médire,
Mpanoratra sy ny tononkalony